Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Salamo

Salamo toko 113
Fiderana an'Iaveh mpiaro ny tra-pahoriana. Aleloia!

       1Midera hianareo, ry mpanompon'ny Tompo,
midera ny anaran'ny Tompo.
       2Isaorana anie ny anaran'ny Tompo,
dieny ankehitriny ka ho mandrakizay!
       3Hoderaina anie ny anaran'ny Tompo,
hatr'eo amin'ny fiposahan'ny masoandro
ka hatr'eo amin'ny filentehany.
       4Tafasandratra ambonin'ny firenen-drehetra Iaveh,
mihoatra ny lanitra ny voninahiny.
       5Iza no tahaka an'ny Tompo Andriamanitsika?
izay mipetraka any amin'ny avo,
       6ary mitsinjo aty ambany,
eny an-danitra sy ety an-tany.
       7Manandratra ny ory hiala amin'ny vovoka izy,
manesotra ny mahantra hiala amin'ny zezika izy;
       8mba hampipetraka azy miaraka amin'ny andriandahy,
dia miaraka amin'ny andriandahin'ny vahoakany.
       9Manome fonenana ny momba ao an-trano izy,
manao azy ho reny mifaly eo afovoan'ny zanany.
Aleloia! >