Ny Salamo
Salamo toko 113, 1-2,4-6,7-8,
Fiderana an'Iaveh mpiaro ny tra-pahoriana. Aleloia!
1Midera hianareo, ry mpanompon'ny Tompo,
midera ny anaran'ny Tompo.
2Isaorana anie ny anaran'ny Tompo,
dieny ankehitriny ka ho mandrakizay!
4Tafasandratra ambonin'ny firenen-drehetra Iaveh,
mihoatra ny lanitra ny voninahiny.
5Iza no tahaka an'ny Tompo Andriamanitsika?
izay mipetraka any amin'ny avo,
6ary mitsinjo aty ambany,
eny an-danitra sy ety an-tany.
7Manandratra ny ory hiala amin'ny vovoka izy,
manesotra ny mahantra hiala amin'ny zezika izy;
8mba hampipetraka azy miaraka amin'ny andriandahy,
dia miaraka amin'ny andriandahin'ny vahoakany. >