Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Salamo

Salamo toko 114
Ny fahagagana tamin'ny nivoahana tany Ejipta, sy tamin'ny nidirana amin'ny tany Kanaana.

       1Raha nivoaka tany Ejipta Israely
ka niala tamin'ny firenena barbariana ny fianakavian'i Jakoba,
       2Jodà no tonga fitoerany masina,
Israely no fanjakany.
       3Nahita azy ny ranomasina dia nandositra,
Jordany nianotra niverina.
       4Ny tendrombohitra nifalihavanja, tahaka ny ondralahy;
ary ny havoana tahaka ny zanak'ondry.
       5Maninona ity hianao no mandositra, ry ranomasina?
ary ity hianao no mianotra miverina, ry Jordany?
       6Nahoana ireto hianareo, ry tendrombohitra, no mifalihavanja hoatra ny ondralahy
ary hianareo, ry havoana, toy ny zanak'ondry?
       7Mangovita eo anatrehan'ny tavan'ny Tompo, ry tany,
dia eo anatrehan'ny tavan'Andriamanitr'i Jakoba,
       8izay manova ny harambato ho farihy
ary ny vatolampy ho loharano. >