Ny Salamo
Salamo toko 115, 1-2,3-4,15-16,
Ny herin'Iaveh, sy ny mahazava-poana ny sampy - Ny fitokian'Israely ny Andriamaniny.
1Tsy izahay, ry Iaveh, tsy izahay,
fa ny anaranao no omeo ny voninahitra,
noho ny famindram-ponao, sy noho ny fahamarinanao.
2Ahoana no ilazan'ny firenena hoe:
Aiza ary ny Andriamanitr'izy ireo?
3Any an-danitra ny Andriamanitsika;
izay tiany hatao, vitany avokoa.
4Ny sampin'izy ireo dia volafotsy sy volamena,
asan-tanan'olombelona.
15Hitahy anareo anie Iaveh,
izay nanao ny lanitra sy ny tany!
16Ny lanitra dia lanitry ny Tompo,
fa ny tany kosa nomeny ny zanak'olombelona. >