Ny Salamo

Toko faha-116

1 Tiako izy, satria ren'ny Tompo, ny feoko, ny fitarainako.

2 Fa nanongilan-tsofina tamiko izy, ka hiantso azy aho, ny andro rehetra hiainako.

3 Efa nihodidina tamiko ny fatoran'ny fahafatesana, efa nahazo ahy ny tebitebin'ny seoly; efa nianjady tamiko ny fanahiana amam-pahoriana,

4 fa niantso ny anaran'ny Tompo aho, nanao hoe: Iaveh ô, vonjeo ny fanahiko!

5 Mamindra fo sy marina Iaveh, miantra ny Andriamanitsika.

6 Miaro ny osa Iaveh; ory aho ka novonjeny.

7 Ry fanahiko ô, miverena amin'ny fitsaharanao, fa Iaveh manototra soa anao.

8 Eny, hianao efa nanafaka ny fanahiko tamin'ny fahafatesana, ny masoko tamin'ny ranomaso, ny tongotro tamin'ny halavoana.

9 Izaho mbola handeha eo anatrehan'ny Tompo eo amin'ny tanin'ny velona.

10 Matoky aho, na dia milaza hoe aza: Fara-fahoriana aho ity!

11 Hoy aho, tao anatin'ny fahakiviako: Mpandainga avokoa ny olombelona.

12 Inona no havaliko an'ny Tompo, noho ny soa rehetra nataony tamiko?

13 Hanainga ny kopin'ny famonjena aho, ka hiantso ny anaran'ny Tompo.

14 Hanefa ny voadiko tamin'ny Tompo aho, eo anatrehan'ny vahoakany rehetra.

15 Zava-tsarobidy eo imason'ny Tompo ny fahafatesan'ny mpino azy.

16 - Endrey! ry Iaveh ô, satria mpanomponao aho; mpanomponao, zanaky ny ankizivavinao, ka dia novahanao ny fatorako.

17 Hanatitra ny sorom-pisaorana aminao aho, ary hiantso ny anaran'ny Tompo.

18 hanefa ny voadiko tamin'ny Tompo aho, eo anatrehan'ny vahoakany rehetra,

19 eo an-kianjan'ny tranon'ny Tompo, dia eo anatin'ny mandanao, ry Jerosalema. Aleloia!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0991