Ny Salamo
Salamo toko 118
Hira fisaorana, fanao amin'ny fombam-pivavahana mandeha.
1(Raha vao miainga ny fivavahana mandeha)
Miderà an'ny Tompo, fa tsara fo izy,
fa mandrakizay ny famindram-pony!
2Aoka Israely hilaza hoe:
Eny, mandrakizay ny famindram-pony!
3Aoka ny taranak'i Aarona hilaza hoe:
Eny, mandrakizay ny famindram-pony!
4Aoka izay matahotra an'ny Tompo hilaza hoe:
Eny, mandrakizay ny famindram-pony!
5(Eny am-pandehanana)
Niantso an'ny Tompo, tao anatin'ny fahoriako aho;
ary namaly ahy Iaveh, ka nampahalalaka ahy.
6Iaveh no miandany amiko ka tsy matahotra na inona na inona aho;
hahefa inona amiko izay olombelona?
7Iaveh no miandany amiko, eo amin'izay mamonjy ahy,
dia hahita ny faharavan'ireo mankahala ahy aho.
8Aleo mitady fialofana amin'ny Tompo,
toy izay mitoky amin'olombelona.
9Aleo mitady fialofana amin'ny Tompo,
toy izay mitoky amin'ny mpanapaka.
10Ny firenena rehetra nitangorona tamiko;
izaho kosa mandripaka azy, amin'ny anaran'ny Tompo.
11Izy ireo nitangorona tamiko sy nanarona ahy,
izaho kosa mandripaka azy, amin'ny anaran'ny Tompo.
12Nitangorona tamiko tahaka ny renitantely izy ireo;
nefa maty toy ny afon-tsilo:
izaho kosa mandripaka azy amin'ny anaran'ny Tompo.
13Hianao nandronjina ahy mafy handavo ahy,
fa Iaveh kosa namonjy ahy.
14Iaveh no heriko sy fihirako;
izy no famonjena ahy.
15Hobim-pandresena amam-pamonjena no manakoako
ao an-dain'ny marina.
Fa naneho ny heriny ny tànana ankavanan'ny Tompo,
16nisandratra ny tànana ankavanan'ny Tompo,
naneho ny heriny ny tànana ankavanan'ny Tompo.
17Tsy ho faty aho fa ho velona,
ka hitory ny asan'ny Tompo.
18Nofaizin'ny Tompo mafy aho,
nefa tsy natolony ho amin'ny fahafatesana.
19Amohay ny vavahadin'ny fahamarinana aho,
mba hidirako, sy hiderako an'ny Tompo.
20(Ny mpisorona)
Ity no vavahadin'ny Tompo,
ny marina no mahazo miditra eo.
21(Ny filohan'ny vahoaka)
Hankalaza anao aho fa namaly vavaka ahy hianao,
ka efa famonjena ahy hianao.
22Ny vato narian'ny mpanorina,
dia tonga vato fehizoro.
23(Ny mpisorona)
Asa vitan'ny Tompo izany,
ka zava-mahagaga eo imasontsika.
24(Ny vahoaka miditra)
Ity no andro nataon'ny Tompo,
mifalia sy miravoravoa isika.
25Ry Iaveh ô, omeo ny famonjena!
Ry Iaveh ô, omeo ny fanambinana!
26(Ny mpisorona miteny amin'ny mpitarika)
Isaorana anie ilay avy amin'ny anaran'ny Tompo!
Mitso-drano anareo, avy ao an-tranon'ny Tompo izahay!
27Andriamanitra Iaveh; mampamirapiratra ny fahazavana amintsika izy.
Ny mpisorona miteny amin'ny vahoaka -
(Ny mpisorona miteny amin'ny vahoaka)
Rohizo kofehy ny sorona,
hatreo amin'ny tandroky ny otely.
28(Ny vahoaka)
Hianao no Andriamanitro, ka hidera anao aho;
Andriamanitro, ka hanandratra anao aho.
29(Miaraka daholo)
Mankalazà an'ny Tompo fa tsara fo izy,
mandrakizay ny famindram-pony! >