Ny Salamo
Toko faha-119
66 Ampianaro ny fahalalana marina amam-pahafantarana aho; fa matoky ny didinao.71 Soa ho ahy ny naetry mba hianarako ny didinao.
75 Fantatro, ry Iaveh, fa marina ny fitsaranao; tamin'ny fahamarinanao no nanetrenao ahy.
91 Araka ny lalànao no mbola aharetan'ny zavatra rehetra mandraka androany; fa manaiky ny fandaharanao ny zavatra rehetra.
125 Mpanomponao aho, ka omeo fahazavan-tsaina, mba hahalalako ny fampianaranao.
130 Mahazava, ny famelarana ny teninao; ka mampahazo saina ny olona tsotra.