Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Salamo

Salamo toko 12
Fitokiana amin'Andriamanitra na dia eo afovoan'ny ratsy aza.

       1Ho an'ny mpampianatra hira. Amin'ny Oktavy. Hiran'i Davida.
       2Vonjeo ry Iaveh ô! fa mihafongotra ny tia vavaka:
mihafoana tsy ho eo amin'ny zanak'olombelona ny mahatoky.
       3Mifampilaza lainga no ataon'ny olona;
molotra mandrobo sy feo mamorom-pitaka no itenenany.
       4Holevonin'ny Tompo anie ny molotra mandrobo rehetra,
mbamin'ny lela miteny amin'avonavona,
       5izay milaza hoe: Mankahery anay ny lelanay;
miandany aminay ny molotray, ka iza indray no ho tomponay?
       6Noho ny fahorian'ny ory,
amam-pisentoan'ny mahantra,
dia hitsangana aho ankehitriny, hoy Iaveh,
dia hitondra aminy ny famonjena izay iriny.
       7Teny madio ny tenin'ny Tompo,
volafotsy voarendrika anatin'ny memy ambonin'ny tany izy,
ka voadio impito.
       8Hianao no hiambina azy, ry Iaveh ô;
dia hiaro azy mandrakariva amin'ity taranaka ity.
       9Mandeha manodidina azy amim-panandratan-tena ny ratsy fanahy;
fa araka ny isandratan'ny zanak'olombelona no hanetrena azy ireo. >