Ny Salamo
Salamo toko 120
Fitarainan'ny mpanompon'Iaveh, hodidinim-pahavalo.
1Fihirana fiakarana.
Tao anatin'ny fahoriako nitaraina
tamin'ny Tompo aho, dia nohenoiny.
2Iaveh ô, vonjeo ny fanahiko amin'ny molotra mandainga,
amin'ny vava fetsy ratsy.
3Homena inona sy hahazo vokatra inona hianao,
ry lela mpamadika?
4Zana-tsipìka maranitry ny Mahery,
mbamin'ny vain'afon'anjavidy.
5Endrey, ity manjo ahy mitoetra eto amin'i Meseka,
sy monina aty an-dain'i Sedara!
6Ela loatra no niarahako nitoetra
tamin'izay mankahala ny fihavanana.
7Olona tia fihavanana aho, nefa nony niteny amin'izy ireo
dia ny ady no alehan'ny sainy. >