Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Salamo

Salamo toko 121
Ny mpiaro an'Israely.

       1Fihirana fiakarana.
Manopy maso eny amin'ny tendrombohitra aho:
Avy aiza no hihavian'ny famonjena ahy?
       2Ny famonjena ahy dia avy amin'ny Tompo,
izay nanao ny lanitra sy ny tany.
       3Tsy havelany ho tafintohina ny tongotrao;
tsy ho rendremana ilay miambina anao.
       4Tsia, tsy rendremana na matory
ilay miambina an'Israely.
       5Iaveh no mpiambina anao,
Iaveh no fialofanao, eo an-kavananao.
       6Tsy hisy hamely anao, na ny masoandro amin'ny andro,
na ny volana amin'ny alina.
       7Hiaro anao amin'ny ratsy rehetra Iaveh,
hiaro ny fanahinao izy.
       8Hiaro anao Iaveh, na mivoaka na miditra hianao,
hatramin'izao ka ho mandrakizay. >