Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Salamo

Salamo toko 122
Ny fahatongavana ao amin'ny Tanàna masina.

       1Fihirana fiakarana. Nataon'i Davida.
Nahazo hafaliana aho raha nilazana hoe:
Andeha isika ho any an-tranon'ny Tompo!
       2indro fa tapitra ny dianay
eto am-bavahadinao, ry Jerosalema.
       3Ry Jerosalema, hianao voaorina toy ny tanàna,
izay iraisan'ny zavatra rehetra.
       4Ao no iakaran'ny foko,
dia ny fokon'ny Tompo,
araka ny lalàn'Israely,
mba hidera ny anaran'ny Tompo.
       5Voapetraka ao ny seza fitsarana,
dia ny sezan'ny fianakavian'i Davida.
       6Manaova fanirian-tsoa ho an'i Jerosalema:
ho sambatra anie ilay tia anao!
       7Hanjaka ao anatin'ny mandanao anie ny fiadanana,
ary ao an-dapanao ny fanambinana.
       8Noho ireo rahalahiko aman-tsakaizako,
dia mangataka fiadanana ho anao aho.
       9Noho ny tranon'Andriamanitsika,
dia maniry fahasambarana ho anao aho. >