Ny Salamo

Toko faha-126

1 Fihirana fiakarana. Fony Iaveh nampody ny voababon'i Siona, dia toa nofy izany ho antsika.

2 Tamin'izany ny vavantsika nanao hobin-kafaliana, ny lelantsika nanao hira firavoravoana. Fahizany izao no am-bentin-teny amin'ny firenena: Nanao zava-dehibe ho azy ireo Iaveh.

3 Eny, nanao zava-dehibe ho antsika tokoa Iaveh; ka revon-kafaliana isika.

4 Iaveh รด, avereno ny anay voababo, toy ny ampandehananao ny ranon-driaka ao amin'ny negeba.

5 Izay mamafy amin-dranomaso, hijinja amin-kafaliana.

6 Mandeha izy, mandeha amim-pitomaniana, mitondra sy mamafy ny voa famafiny. Hiverina kosa izy manao hobin-kafaliana, mitondra ny amboara avy amin'ny fijinjany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0908