Ny Salamo
Toko faha-126
1 Fihirana fiakarana. Fony Iaveh nampody ny voababon'i Siona, dia toa nofy izany ho antsika.2 Tamin'izany ny vavantsika nanao hobin-kafaliana, ny lelantsika nanao hira firavoravoana. Fahizany izao no am-bentin-teny amin'ny firenena: Nanao zava-dehibe ho azy ireo Iaveh.