Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Salamo

Salamo toko 128
Tokan-trano sambatry ny mpino.

       1Fihirana fiakarana.
Sambatra ny lehilahy matahotra an'ny Tompo,
izay mandeha amin'ny làlany.
       2Mihinana ny asan-tànanao hianao amin'izany,
ka dia sambatra sy voky soa.
       3Ny vadinao manahaka ny voaloboka mahavanom-boa,
ao an-tokantranonao.
Ny zanakao manahaka ny zanak'oliva
manodidina ny latabatrao.
       4Toy izany no hitahiana
ny lehilahy matahotra an'ny Tompo.
       5Iaveh anie hanambina anao, avy ao Siona!
Enga anie ka hahita an'i Jerosalema miadana tsara hianao,
amin'ny andro rehetra hiainanao!
       6Hahita ny zanaky ny zanakao anie hianao!
Ho amin'Israely anie ny fiadanana! >