Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Salamo

Salamo toko 130, 1-2,3-4b,4c-6,
Ao anatin'ny fahoriana mangidy indrindra.

       1Fihirana fiakarana.
Ato am-body hantsana aho no miantso anao, ry Iaveh.
Tompo ô, henoy ny feoko;
       2aoka ny sofinao anie hihaino
ny feon'ny fivavahako.
       3Raha mitana ny fahatsiarovana ny heloka hianao, ry Iaveh,
iza no haharitra, Tompo ô?
       4Fa ao aminao ny famelan-keloka,
mba hanajan'ny olona anao.
       5Manantena an'ny Tompo aho, manantena ny fanahiko,
ary miandry ny teniny aho.
       6Maniry ny Tompo ny fanahiko,
mihoatra noho ny anirian'ny mpiambina ny fipoahan'ny andro. >