Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Salamo

Salamo toko 132, 11,13-14,17-18,

       <11Iaveh nianiana marina tamin'i Davida,
ka tsy hitsoaka amin'izany:
Ny ateraky ny kibonao,
no hapetrako eo amin'ny seza fiandriananao.
       13Fa Iaveh efa nifidy an'i Siona,
sy naniry azy ho fonenany.
       14Ity no toerana fitsaharako mandrakizay;
eto no honenako fa efa niriko.
       17Hohalehibeziko ao ny fahefan'i Davida;
hamboatra fanilo ho an'ny Voahosotro aho.
       18Hofonosiko henatra ny fahavalony,
ary hamirapiratra eo an-kandriny kosa ny satro-boninahiny. >