Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Salamo

Salamo toko 133
Mamy ny firaisan-toeran'ny mpirahalahy.

       1Fihirana fiakarana. Nataon'i Davida.
Endrey, tsara sady mamy,
ho an'ny mpirahalahy ny miara-monina!
       2Tahaka ny diloilo sarobidy aidina eo an-doha izany;
ka mitsororoka amin'ny somotra, dia amin'ny somotr'i Aarona,
sy midina amin'ny sisin'akanjony.
       3Manahaka ny andon'i Hermona izany,
izay milatsaka eo amin'ny tampon'i Siona;
fa ao no nanorenan'ny Tompo ny fitahiana,
ny fiainana ho mandrakizay. >