Ny Salamo
Salamo toko 135
Fiderana an'Andriamanitra - Ny asany mahagaga - Ny fiamboniany amin'ny sampy.
1Aleloia!
- Miderà ny anaran'ny Tompo,
miderà azy hianareo mpanompon'ny Tompo,
2hianareo manao fanompoana ao an-tranon'ny Tompo,
eo an-kianjan'ny tranon'Andriamanitsika.
3Miderà an'ny Tompo fa tsara Iaveh,
mihirà ny anarany amin'ny harpa, fa mamy tanteraka.
4Fa Iaveh efa nifidy an'i Jakoba ho azy,
sy an'Israely ho lovany.
5Eny, fantatro, lehibe Iaveh,
ambony noho ny andriamanitra rehetra ny Tompontsika.
6Manao izay tiany rehetra Iaveh,
eny an-danitra sy ety ambonin'ny tany,
any an-dranomasina sy any amin'ny hantsana rehetra.
7Mampiakatra ny zavona avy amin'ny faran'ny tany izy;
mandefa ny tselatra aman-dranonorana,
mamoaka ny rivotra avy amin'ny firaketany.
8Namono ny voalohan-terak'i Ejipta izy fahiny,
hatramin'ny olona ka hatramin'ny biby.
9Naneho famantarana amam-pahagagana izy,
teo afovoanao, ry Ejipta,
namelezany an'i Faraona sy ny mpanompony rehetra.
10Firenena maro no nasiany,
ary mpanjaka mahery no novonoiny:
11Sehona mpanjakan'ny Amoreana, Oga mpanjakan'i Basàna,
mbamin'ny mpanjaka rehetra tany Kanaana,
12ka natolony ho lova ny tanin'ireo,
dia ho lovan'Israely vahoakany.
13Iaveh ô, maharitra mandrakizay ny anaranao:
Iaveh ô maharitra amin'ny taona rehetra mifandimby ny fahatsiarovana anao.
14Fa manome rariny ny vahoakany Iaveh,
ary miantra ny mpanompony izy.
15Ny sampin'ny firenena dia volafotsy amam-bolamena,
asa-tànan'olombelona.
16Manam-bava fa tsy miteny izy;
mana-maso fa tsy mahita;
17manan-tsofina fa tsy mahare izy,
tsy misy fofon'aina akory aza ny vavany.
18Hanahaka ireny anie ry zareo nanao azy,
na iza na iza mitoky aminy!
19Misaora an'ny Tompo, ry taranak'Israely!
Misaora an'ny Tompo, ry taranak'i Aarona!
20Misaora an'ny Tompo, ry taranak'i Levì!
Misaora an'ny Tompo, hianareo matahotra an'ny Tompo!
21Hisaorana avy ao Siona anie Iaveh,
izay mitoetra ao Jerosalema!
Aleloia! >