Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Salamo

Salamo toko 137
Ny alahelon'ny voababo; fanozonana ny fahavalo.

       1Teo amoron'ny onin'i Babilona,
dia nipetraka sy nitomany izahay,
nahatsiaro an'i Siona.
       2Teo amin'ny hazo malahelo eo an-dohasahany,
no nahantonay ny harpanay.
       3Fa teo izahay dia nangatahan'ireo nitana anay am-pahababoana,
hanao hiram-pivavahana sy hira fiderana;
nangatahin'ireo mpampahory anay hira fifaliana izahay:
Manaova hiran'i Siona ho anay hianareo.
       4Hataonay ahoana no fihira ny hiran'ny Tompo
any an-tanin'ny olona hafa firenena?
       5Na oviana na oviana raha manadino anao aho, ry Jerosalema,
aoka hanadino tsy hahetsika ny tànako ankavanana!...
       6Aoka hiraikitra amin'ny lanilaniko ny lelako,
raha mitsahatra ny mihevitra anao aho,
raha tsy Jerosalema no ataoko
loha laharana amin'ny fifaliako!
       7Tsarovy, ry Iaveh, ireo taranak'i Edoma,
fony tamin'ny andron'i Jerosalema,
dia hoy ireny: Ravao! ravao! izy,
hatramin'ny fotony!
       8Ry zanakavavin'i Babilona voatolotra ho amin'ny fandringanana,
sambatra izay hamaly anao,
araka ny ratsy nataonao taminay.
       9Sambatra izay hisambotra sy hanorotoro,
ny zanakao madinika amin'ny vato! >