Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Salamo

Salamo toko 138
Fihirana fisaorana - Hidera an'Iaveh ny mpanjaka rehetra amin'ny tany.

       1Nataon'i Davida.
Sitrako ny midera anao amin'ny foko rehetra,
sy hihira ho anao amin'ny harpa eo anatrehan'ireo andriamanitra.
       2Sitrako ny miankohoka eo an-tempolinao masina,
sy hankalaza ny anaranao,
noho ny hatsaram-ponao amam-pahamarinanao,
fa nanao fampanantenana lehibe hianao,
mihoatra noho ny voninahitry ny anaranao.
       3Tamin'ny andro niantsoako anao naneky ahy hianao,
naverinao amin'ny fanahiko ny tanjaka aman-kerim-po.
       4Hidera anao, Iaveh, ny mpanjaka rehetra amin'ny tany,
rahefa mandre ny teny to naloaky ny vavanao.
       5Hankalaza ny làlan'ny Tompo izy ireo,
fa lehibe ny voninahitry ny Tompo.
       6Fa avo Iaveh ka mijery ny iva toetra,
ary fantany eny lavitra eny, ny mpiavonavona.
       7Raha mizotra eo afovoan'ny fahoriana aho, dia velominao indray,
maninji-tànana hanohana ny hatezeran'ny fahavaloko hianao,
ary mamonjy ahy ny tànanao ankavanana.
       8Hotanterahin'ny Tompo izay nataony ho ahy,
Iaveh ô, mandrakizay ny hatsaram-ponao:
Aza mahafoy ny asan-tànanao! >