Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Salamo

Salamo toko 138, 1-2a.2bc-3.4-5.
Fihirana fisaorana - Hidera an'Iaveh ny mpanjaka rehetra amin'ny tany.

       1Nataon'i Davida.
Sitrako ny midera anao amin'ny foko rehetra,
sy hihira ho anao amin'ny harpa eo anatrehan'ireo andriamanitra.
       2Sitrako ny miankohoka eo an-tempolinao masina,
sy hankalaza ny anaranao,
noho ny hatsaram-ponao amam-pahamarinanao,
fa nanao fampanantenana lehibe hianao,
mihoatra noho ny voninahitry ny anaranao.
       3Tamin'ny andro niantsoako anao naneky ahy hianao,
naverinao amin'ny fanahiko ny tanjaka aman-kerim-po.
       4Hidera anao, Iaveh, ny mpanjaka rehetra amin'ny tany,
rahefa mandre ny teny to naloaky ny vavanao.
       5Hankalaza ny l├álan'ny Tompo izy ireo,
fa lehibe ny voninahitry ny Tompo. >