Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Salamo

Salamo toko 139, 1-3.13-14ab.14c-15.
Fankalazana ny fahalalan'Andriamanitra tsy misy fetra - Nahoana no fantatr'Andriamanitra, nefa avelany haharitra ihany ny tsy marina?

       1Ho an'ny mpampianatra hira. Nataon'i Davida.
Iaveh ô, mizaha toetra sy mahalala ahy hianao:
       2fantatrao ny fipetrako sy ny fitsangako;
tsinjovinao ny hevitro mbola lavitra.
       3Hianao mitsirika ahy na mandeha na mandry,
ary mahazatra anao ny làlako rehetra.
       13Hianao no namorona ny voako,
sy nanenona ahy tao an-kibon'ineny.
       14Midera anao aho, amin'ny nanaovanao ahy ho zava-boahary mahagaga loatra:
mahagaga ny asanao,
ary mamin'ny fanahiko ny mieky izany.
       15Tsy niafina taminao ny tenako,
tamin'ny namoronana ahy tao amin'ny miafina,
voatenona tamim-pahaizana, tao amin'ny fanambanin'ny tany. >