Ny Salamo

Toko faha-14

1 Ny adala manao anakam-po hoe: Tsy misy Andriamanitra! Efa simba izy ireo; asa mahamenatra no ataony; tsy misy manao ny tsara na dia iray aza.

2 Iaveh mitsinjo ny zanak'olombelona eny amin'ny lanitra ambony eny, mba hahita raha misy olon-kendry anankiray, olona iray mitady an'Andriamanitra.

3 Efa nania izy rehetra, efa niara-nihasimba toetra avokoa; tsy misy manao ny tsara na dia iray aza, na dia iray monja aza.

4 Tsy manam-pahalalana va izy rehetra ireo izay manao ny ratsy? Mihinana ny vahoakako, toy ny fihinan-kanina tsy miantso an'ny Tompo izy ireo.

5 Ho tera-kovitra tampoka azon'ny fivadiham-po izy, fa eo afovoan'ny taranaka marina Andriamanitra.

6 Tadiavinareo hokorokoroina ny hevitra kasain'ny ory. Nefa Andriamanitra no arony.

7 Endrey! Hivoaka avy any Siona anie ny famonjena an'Israely. Rahefa hampodin'ny Tompo ireo nentin-ko babo amin'ny vahoakany, dia ho faly Jakoba ary ho ravo Israely!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0728