Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Salamo

Salamo toko 140
Fivavahana raha enjehina.

       1Ho an'ny mpampianatra hira. Salamon'i Davida.
       2Iaveh ô, afaho amin'ny olon-dratsy aho,
arovy amin'ny olona mpanao an-keriny aho.
       3Izay mieritreritra hevitra ratsy ao am-pony,
izay manangana ady amiko lalandava;
       4izay mandranitra ny lelany toy ny menarana,
sady misy poizin'aspika ao ambany molony. - Selà.
       5Iaveh ô, ambeno amin'ny tànan'ny ratsy fanahy aho,
arovy amin'ny olona mpanao an-keriny aho,
izay mitetika ny hanafintohina ahy.
       6Misy mpiavonavona mamela-pandrika harato hamandrihana ahy;
mametra-pandrika harato manaraka ny làlan-kalehako;
ary manao otrika hamelezana ahy. - Selà.
       7Hoy aho amin'ny Tompo: Andriamanitro hianao,
henoy ny feon'ny fitarainako, ry Iaveh!
       8Iaveh Tompo ô, mpamonjiko mahery,
manarona ny lohako amin'ny andro fiadiana hianao.
       9Ry Iaveh, aza tanterahinao ny fanirian'ny ratsy fanahy,
aza havela hahomby ny hevi-dratsiny; dia ireharehany loatra izany. - Selà.
       10Ny lohan'ireo izay manemitra ahy anie,
no hianjeran'ny ratsy tononin'ny molony.
       11Aoka hanintsanana vainafo mivaivay eo ambonin'izy ireo!
Havarin'Andriamanitra any amin'ny afo anie izy!
       12Tsy hambinina ny mpanendrikendrika eto ambonin'ny tany,
ary hozoin-doza, tsy hamindrana fo, ny mpanao an-keriny.
       13Fantatro fa omen'ny Tompo hitsiny ny fadiranovana,
ary omeny rariny ny mahantra.
       14Eny, hankalaza ny anaranao ny marina,
ary honina eo anatrehan'ny tavanao ny olo-mahitsy. >