Ny Salamo
Salamo toko 141
Fivavahana raha enjehina.
1Salamon'i Davida.
Iaveh ô, miantso anao aho, tongava faingana amiko hianao;
atongilano ny sofinao amin'ny feoko, raha miantso anao aho.
2Aoka ho eo anatrehanao toy ny emboka anie ny fivavahako.
ary koa ny fanandratako tanana izay toy ny fanatitra takariva !
3Iaveh ô, asio fiambenana eo amin'ny vavako;
ary mpitily eo am-baravaran'ny molotro.
4Aza atongilanao amin'ny ratsy ny foko,
na hilozoka amin'ny asa ratsy,
miaraka amin'ny olona mpanao ratsy.
5Raha ny marina no mamely ahy, tombontsoa ho ahy izany;
raha izy no mananatra ahy, diloilo manitra eo an-dohako izany,
ka tsy holavin'ny lohako,
fa amin'izay ny fivavahako no hany hanoherako ny hevi-dratsin'ireny.
6Nefa tsy ho ela dia havarina, manaraka ny vatolampy, ny lehiben'ireny;
ary handre ny teniko ny olona, fa mahafinaritra izany.
7Toy ny fanoritra sy fihevon'ny asa ny tany,
no famafy ny taolantsika teo am-bavan'ny seoly.
8Fa hianao no andrandrain'ny masoko, Iaveh Tompo ô;
ao akaikinao no itadiavako fialofana: aza mahafoy ny fanahiko!
9Arovy amin'ny fandrika amandrihany ahy aho,
dia amin'ny fanotrehan'ireo mpanao ratsy.
10Aoka ny ratsy fanahy ho latsaka amin'ny fandrika nataony;
fa izaho kosa izay dia ho afaka amin'izany. >