Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Salamo

Salamo toko 142
Fivavahana raha tra-pahoriana.

       1Fihirana nataon'i Davida: Fony izy tao amin'ilay zohy. Fivavahana.
       2Mitaraina amin'ny Tompo amin'ny feoko aho,
mitalaho amin'ny Tompo amin'ny feoko:
       3Mamboraka eo anatrehany ny fitarainako aho,
mamosaka eo anatrehany ny fahoriako.
       4Raha reraka ato anatiko ny fanahiko,
dia fantatrao ny làlako,
fantatrao fa any an-dàlana izorako,
amelaran'ireny fandrika hamelezana ahy.
       5Topazo maso eo ankavanana ka zahao:
tsy misy mahalala ahy akory;
ny fialofako tsy misy velively,
tsy ahoan'ny olona akory ny aiko.
       6Mitaraina aminao aho, ry Iaveh,
hoy aho: Hianao no fialofako,
anjarako eo amin'ny tanin'ny velona.
       7Atongilano ny sofinao amin'ny fitarainako,
fa fadiranovana efa izaitsizy aho,
afaho amin'ireo manenjika ahy aho,
fa mahery noho izaho izy ireo.
       8Esory amin'ity tranomaizina ity ny fanahiko,
mba hankalazako ny anaranao,
hahazo voninahitra miaraka amiko ny marina,
noho ny nanasoavanao ahy. >