Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Salamo

Salamo toko 143
Fivavahana hafa raha tra-pahoriana.

       1Salamon'i Davida.

Iaveh ô, henoy ny fivavahako;
atongilano ny sofinao amin'ny fitalahoako;
valio vavaka aho, amin'ny fahitsianao amam-pahamarinanao.
       2Aza mifandahatra amin'ny mpanomponao amin'ny fitsarana,
fa tsy misy olombelona ho marina eo anatrehanao.
       3Mitady ny aiko ny fahavalo,
manitsaka ny aiko amin'ny tany izy;
asesiny ao amin'ny fitoerana maizina aho,
mova tsy olona efa maty ela!
       4Reraka ny fanahiko ato amiko,
mitebiteby ny foko ato an-kiboko.
       5Heveriko ny andro taloha,
sainiko ny asanao rehetra,
eritreretiko ny asan-tànanao.
       6Mananty tànan-droa aminao aho,
ka maniry anao, toy ny tany mangentana, ny fanahiko. - Selà.
       7Hafaingano ny valim-bavako, ry Iaveh,
fa reraka eo ihany ny fanahiko;
aza manafina ny tavanao amiko,
fa manahaka ny efa midina any am-pasana aho.
       8Ampandreneso faingana ny hatsaram-ponao aho,
fa hianao no itokisako;
atoroy ny làlana tokony halehako aho,
fa any aminao no hanondrotako ny fanahiko.
       9Afaho amin'ny fahavaloko aho, ry Iaveh,
fa ao aminao no ialofako.
       10Ampianaro hanao ny sitra-ponao aho
fa hianao no Andriamanitro.
Ny fanahinao tsara anie hitarika ahy,
eo amin'ny làla-mahitsy.
       11Iaveh ô, velomy aho, noho ny anaranao,
esory amin'ny fahoriana ny fanahiko, noho ny fahamarinanao.
       12Fongory ny fahavaloko, noho ny hatsaram-ponao;
ary aringano avokoa izay mampahory ahy,
fa mpanomponao aho. >