Ny Salamo

Toko faha-144

1 Nataon'i Davida. Isaraona anie Iaveh vatolampiko, izay nampianatra ny tànako hiady, ary ny rantsan-tànako hiantafika.

2 Mpanao soa ahy aman-trano mimandako, fialofako avo amam-panafaka ahy, ampingako amam-pialofako, izay mandamina ny vahoakako hanoa ahy!

3 Iaveh ô, inona moa ny olombelona no mba heverinao, ny zanak'olombelona, no mba ahinao?

4 Tahaka ny tso-drivotra ihany ny olombelona; tahaka ny aloka mandalo foana ny androny.

5 Iaveh ô, aondreho ny lanitrao, ka midìna; tendreo ny tendrombohitra dia aoka hirehitra izy.

6 Aoka hianao hampanjopiaka ny tselatra ka hampiparitaka ny fahavalo; alefaso ny zana-tsipìkanao, ka ampifanaritaho ireny.

7 Ahinjiro avy any ambony ny tànanao, ka afaho sy vonjeo aho amin'ny rano be, amin'ny tànan'ireo tarana-pirenen-kafa,

8 izay mamoaka lainga ny vavany, ary tànana ankavanana mivadika no tànana ankavanana.

9 Andriamanitra, hihira fihiram-baovao ho anao aho, hankalaza anao amin'ny valiha tory folo aho.

10 Hianao izay nanome fandresena ny mpanjaka, sy namonjy an'i Davida mpanomponao amin'ny sabatra mahafaty,

11 dia afaho sy vonjeo aho amin'ny tànan'ireo tarana-pirenen-kafa, izay mamoaka lainga ny vavany, ary tànana ankavanana mivadika no tànany ankavanana.

12 Hanahaka ny zanakazo mirobona anie ny zanakay lahy ka hitombo mandritra ny fahatanorany. Hanahaka ny andry fehizoro anie ny zanakay vavy, misy sarin-javatra voasokitra, toy ny amin'ny tempoly!

13 Ho feno mandrakariva anie ny sompitray, ka ho hipoka vokatra isan-karazany. Ny ondrinay eny an-tanimbilonay anie hitombo arivoarivo sy alinalina,

14 ary ny ombinay hahavanona anaka. Aza misy ao anatin'ny mandanay na fahabangana na fikoizana, aza misy re eny amin'ny kianjanay anie ny antso vonjy taitra!

15 Sambatra ny firenena, miarana amin'izany zava-tsoa izany. Sambatra ny firenena manana an'ny Tompo ho Andriamaniny.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0695