Ny Salamo
Salamo toko 144, 1a.2abc.3-4.
Efa namonjy ny vahoakany tamin'ny fahavalony Iaveh ka angatahina hanome azy fandresena tanteraka - Ny hasambarana amam-panambinana amin'ny andro iadanana.
1Nataon'i Davida.
Isaraona anie Iaveh vatolampiko,
izay nampianatra ny tànako hiady,
ary ny rantsan-tànako hiantafika.
2Mpanao soa ahy aman-trano mimandako,
fialofako avo amam-panafaka ahy,
ampingako amam-pialofako,
izay mandamina ny vahoakako hanoa ahy!
3Iaveh ô, inona moa ny olombelona no mba heverinao,
ny zanak'olombelona, no mba ahinao?
4Tahaka ny tso-drivotra ihany ny olombelona;
tahaka ny aloka mandalo foana ny androny. >