Ny Salamo

Toko faha-145

1 Hira fiderana. Nataon'i Davida. ALEPH Sitrako ny mankalaza anao, ry Andriamanitro, Mpanjaka ô, sy ny misaotra ny anaranao mandrakizay doria.

2 BETH Sitrako ny misaotra anao isan'andro, sy ny mankalaza ny anaranao mandrakizay doria!

3 GHIMEL Lehibe Iaveh ka mendrika ny fiderana rehetra, ary tsy takatry ny saina ny fahalehibeazany!

4 DALETH Ny taona rehetra samy hilaza amin'izay mandimby azy ny fiderana ny asanao; hitory ny fahagagana nataonao ny olona.

5 HE Hihira ny famirapiratan'ny fiandriananao be voninahitra aho, sy ny asanao mahagaga.

6 VAV Horesahin'ny olona ny herinao mahatahotra; ary hotantaraiko ny fahalehibeazanao.

7 ZAIN Hambaran'ny olona ny fahatsiarovana ny hatsaram-ponao lehibe indrindra, ary hankalazaina ny fahamarinanao.

8 HETH Mamindra fo sy miantra Iaveh, ary mahari-po sy feno hatsaram-po.

9 TETH Tsara fo amin'ny olona rehetra Iaveh, ary mihatra amin'ny zava-boahariny rehetra ny famindram-pony.

10 YOD Midera anao avokoa ny asanao rehetra, ry Iaveh, ary misaotra anao ny mpino anao.

11 KAPH Milaza ny voninahitry ny fanjakanao izy, ary mitory ny fahefanao;

12 LAMED mba hampahalalany ny zanaky ny olona ny asany mahagaga, sy ny famirapiratry ny fanjakany be voninahitra.

13 MEM Fanjakana mandrakizay ny fanjakanao, ary maharitra amin'ny taona rehetra ny fanapahanao.

14 SAMECH Manohana an'izay rehetra lavo Iaveh, ary mampitraka an'izay rehetra mitanondrika.

15 AIN Mitodika miandry anao ny mason'ny zavatra rehetra, ary omenao izay haniny amin'ny fotoany izy.

16 PHE Sokafanao ny tànanao, dia vokisanao soa avy aminao ny miaina rehetra.

17 TSADE Marina amin'ny làlany rehetra Iaveh, ary mamindra fo amin'ny asany rehetra.

18 KOPH Eo akaikin' izay rehetra miantso azy Iaveh, dia izay rehetra miantso azy amin'ny fony tokoa.

19 RESCH Manatanteraka ny fanirian'izay matahotra azy izy, mihaino ny fitarainany sy mamonjy azy.

20 SCHIN Miambina izay rehetra tia azy Iaveh, ary mandringana ny ratsy fanahy rehetra.

21 THAV Aoka ny vavako hitory fiderana an'ny Tompo, ary ny nofo rehetra hisaotra ny anarany masina mandrakizay doria!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1083