Ny Salamo

Toko faha-147

1 Aleloia! Miderà an'ny Tompo, fa tsara ny mankalaza ny Andriamanitsika, fa mamy sy mendrika ny midera azy.

2 Manangana an'i Jerosalema indray Iaveh, angoniny ireo tafaely avy tamin'Israely.

3 Sitraniny ireo torotoro fo, ary feheziny ny ferin'izy ireo.

4 Manisa ny isan'ny kintana izy, ary tononiny samy amin'ny anarany avy izy rehetra.

5 Lehibe ny Tompontsika ary tsy misy fetra ny heriny; sady tsy manam-petra ny fahalalany.

6 Manati-bonjy ho an'ny manetry tena Iaveh, fa manetry ny ratsy fanahy amin'ny tany kosa.

7 Manaova hira fisaorana ho an'ny Tompo; mankalazà ny Andriamanitsika amin'ny harpa!

8 Fa saronany rahona ny lanitra, ary ny tany amononany ranonorana; mampaniry ahitra ny tendrombohitra izy.

9 Manome hanina ny biby fiompy, sy ny zana-goaika mitaraina aminy izy.

10 Tsy ny herin'ny soavaly no ankasitrahany, na ny tongotr'olombelona no mahafinaritra azy,

11 fa ny fankasitrahan'ny Tompo dia ireo matahotra azy, ireo manantena ny hatsaram-pony.

12 Ry Jerosalema ô, mankalazà ny Iaveh, ry Siona ô, miderà ny Andriamanitrao.

13 Fa nohamafisiny ny hidim-bavahadinao, hasoaviny ny zanakao eo afovoanao.

14 Ataony mandry fahizay ny vava taninao, vokisany vary tsara indrindra hianao.

15 Mandefa ny teniny ho amin'ny tany izy, faingana dia faingana no fandehan'ny teniny.

16 Mandatsaka oram-panala, tahaka ny volon'ondry izy, ary mandraraka fanala tahaka ny lavenona.

17 Atsipiny am-bakivakiny ny vongan-dranomandriny, ka zovy no mahatoha ny hatsiakany?

18 Mandefa ny teniny izy, dia mampiempo an'ireny, mampifofofofo ny rivony izy, dia mandriaka ny rano.

19 Izy no nanambara ny teniny tamin'i Jakoba, sy ny didiny amam-pitsipiny tamin'Israely.

20 Tsy mba nanao toy izany tamin'ny firenena hafa rehetra izy, ka tsy mahalala ny fitsipiny ireny. Aleloia!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1014