Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Salamo

Salamo toko 147, 1-2.3-4.5-6.
Fiderana an'Iaveh fa ny heriny amam-pamindram-pony miharihary amin'ny zavatra rehetra sy ny tantaran'Israely.

       1Aleloia!
MiderĂ  an'ny Tompo,
fa tsara ny mankalaza ny Andriamanitsika,
fa mamy sy mendrika ny midera azy.
       2Manangana an'i Jerosalema indray Iaveh,
angoniny ireo tafaely avy tamin'Israely.
       3Sitraniny ireo torotoro fo,
ary feheziny ny ferin'izy ireo.
       4Manisa ny isan'ny kintana izy,
ary tononiny samy amin'ny anarany avy izy rehetra.
       5Lehibe ny Tompontsika ary tsy misy fetra ny heriny;
sady tsy manam-petra ny fahalalany.
       6Manati-bonjy ho an'ny manetry tena Iaveh,
fa manetry ny ratsy fanahy amin'ny tany kosa. >