Ny Salamo

Toko faha-148

1 Aleloia! Miderà an'ny Tompo any an-tampon'ny lanitra, miderà azy any ambony any!

2 Miderà azy hianareo anjeliny rehetra, miderà azy hianareo tafiny rehetra!

3 Miderà azy ry masoandro amam-bolana; miderà azy hianareo kintana mamirapiratra rehetra.

4 Miderà azy ry lanitry ny lanitra ary hianareo rano ambonin'ny lanitra.

5 Aoka hidera ny anaran'ny Tompo ireo: fa mandidy izy, dia hary izy ireo.

6 Nampitoetra ireo mandrakizay doria izy, ary nametraka lalàna izay tsy hodikaina.

7 Miderà an'ny Tompo etý an-tany, ry biby goay be anaty ranomasina, mbaminareo rehetra ranomasin-dehibe,

8 afo aman-kavandra, oram-panala aman'entona, rivotra mahery izay manatanteraka ny fandaharany,

9 tendrombohitra mbaminareo havoana rehetra, hazo fihinam-boa mbaminareo havoana sedera rehetra,

10 biby dia amam-biby fiompy isan-karazany; biby mandady amam-boro-manan'elatra,

11 mpanjakan'ny tany mbamin'ny vahoaka rehetra, mpanapaka mbaminareo rehetra mpitsara amin'ny tany,

12 zatovolahy sy virjiny tanora, lahiantitra sy zaza.

13 Aoka hidera ny anaran'ny Tompo izy ireo, fa ny anarany no hany lehibe, ny voninahiny dia ambonin'ny lanitra sy ny tany.

14 Nanandratra ny fahefan'ny vahoakany izy, foto-piderana amin'izay rehetra miraiki-po aminy, dia amin'ny zanak'Israely firenena akaiky azy. Aleloia!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0493