Ny Salamo
Salamo toko 149
Hira fandresena rehefa avy nandresy.
1Aleloia!
Mihirà fihiram-baovao ho an'ny Tompo:
hanakoako eo amin'ny fiangonan'ny olomasina anie ny fiderana azy!
2Hifaly amin'ny Mpahary azy anie Israely,
hientan-karavoana amin'ny Mpanjakany anie ny zanak'i Siona!
3Aoka izy ireo hidera ny anarany amin'ny dihiny;
aoka hihira azy amin'ny ampongatapaka sy ny harpa!
4Fa ankasitrahan'ny Tompo ny vahoakany;
manome voninahitra ny ambany toetra, amin'ny famonjeny azy izy.
5Mandresy amim-boninahitra ny mpino,
mientan-kafaliana eo am-pandriany izy ireo.
6Eo am-bavany ny fiderana an'Andriamanitra,
ary eo an-tànany ny sabatra roa lela.
7Mba hanao famaliana an'ireo firenena,
sy hamay an'ireo vahoaka,
8mba hamatotra ny mpanjakan'ireny amin'ny gadra,
ary ny olo-malazan'ireny amin'ny gadra vy;
9mba hampihatra amin'izy ireo ny teny fitsarana voasoratra:
Voninahitra voatokana ho an'ny mpino azy rehetra izany.
Aleloia! >