Ny Salamo
Salamo toko 15
Ny hatsaram-panahy ahazoana manatona an'Andriamanitra.
1Iaveh ô, iza no honina ao an-dainao?
Zovy no hitoetra ao an-tendrombohitrao masina?
2Izay mandeha amin'ny tsy fananan-tsiny, izay manaraka ny rariny,
ka milaza ny marina ao am-pony.
3Tsy manendrikendrika amin'ny lelany izy,
tsy manisy ratsy ny rahalahiny,
tsy manala baraka ny namany.
4Ny voaheloka no mendrika halam-baraka eo imasony;
fa ny matahotra an'ny Tompo kosa omeny voninahitra.
Raha nanao fianianana mamono antoka azy izy, tsy ivadihany izany.
5Tsy mampihana vola manao zana-bola be loatra
na mandray kolikoly hamely ny tsy manan-tsiny.
Tsy hangozohozo mandrakizay izay mitondra tena arak'izany. >