Ny Salamo
Salamo toko 16
Hasambaran'ny marina izay nifidy an'Andriamanitra ho anjarany.
1Hiran'i Davida.
Ambeno aho, ry Andriamanitra ô, fa mifefy aminao aho.
2Hoy aho amin'ny Tompo: Tompoko hianao,
hianao irery no fananako.
3Ny olo-masina izay ety amin'ny tany,
ireo malaza, dia tiako amin'ny foko rehetra.
4Ampitomboin'ny olona ny sampy; ny andriamani-kafa no hihazakazahany harahina,
fa izaho kosa tsy mba handraraka ny fanati-dra araraka ataony,
na hanao ny anaran'ireny eo amin'ny molotro akory.
5Iaveh no anjara lovako aman-kapoakako;
hianao no miantoka ny anjarako
6Norefesin'ny famolaina izay anjarako soa,
eny lova soa indrindra no lasako ho ahy.
7Isaorako Iaveh izay nanolo-tsaina ahy;
na dia alina aza ny andro mbola anarin'ny foko ihany aho.
8Ataoko eo imasoko mandrakariva Iaveh,
fa eo ankavanako izy; tsy hangozohozo aho.
9Ka dia faly ny foko, ravo ny fanahiko;
mandry tsy amin'ahiahy mbamin'ny vatako aza.
10Fa tsy ho foinao ho any amin'ny Seoly ny fanahiko;
tsy havelanao hahita ny fahalovana ilay tia anao.
11Hampahafantarinao ahy ny làlan'ny fiainana:
hafaliana feno no eo anatrehan'ny tavanao;
fahafinaretana mandrakizay no eo an-tànanao ankavanana. >