Ny Salamo
Toko faha-16
5 Iaveh no anjara lovako aman-kapoakako; hianao no miantoka ny anjarako8 Ataoko eo imasoko mandrakariva Iaveh, fa eo ankavanako izy; tsy hangozohozo aho.
9 Ka dia faly ny foko, ravo ny fanahiko; mandry tsy amin'ahiahy mbamin'ny vatako aza.
10 Fa tsy ho foinao ho any amin'ny Seoly ny fanahiko; tsy havelanao hahita ny fahalovana ilay tia anao.
11 Hampahafantarinao ahy ny làlan'ny fiainana: hafaliana feno no eo anatrehan'ny tavanao; fahafinaretana mandrakizay no eo an-tànanao ankavanana.