Ny Salamo
Salamo toko 18, 2-3a,3bc-4,5-6,7,
<2Tiako hianao, ry Iaveh heriko!
3Iaveh, haram-batoko, mandako, mpanafaka ahy,
Andriamanitro, vatolampiko izay hahitako fialofana,
ampingako, tandro-pamonjena ahy, trano mimandako!
4Niantso an'izay mendrika hoderaina, an'ny Tompo, aho,
dia voavonjy tamin'ny fahavaloko.
5Nanodidina ahy ny fatoram-pahafatesana;
nampitahotra ahy ny riak'i Beliala,
6nihodidina tamiko ny fatoran'ny Seoly;
ary latsaka teo anatrehako ny fandrika haraton'ny fahafatesana.
7Niantso an'ny Tompo tao anatin'ny fahoriako aho,
ary nitaraina tamin'Andriamanitro aho;
ka reny tany an-tempoliny ny feoko;
tonga tao an-tsofiny ny fitarainako teo anatrehany. >