Ny Salamo
Salamo toko 2, 1-3.4-6.7-9
Ny fandresen'ilay voahosotr'Iaveh.
1Nahoana no mihetsiketsika amim-pitabatabana ny firenena,
ary mamorona hevi-poana ny vahoaka?
2Ireo mpanjakan'ny tany mitsimbohitra,
ary ny andriana koa miara-mioko,
hanohitra an'ny Tompo sy ny Voahosony:
3Tapaho ny famatorany, hoy ireny
ary ario lavitra antsika ny gadrany!
4Ilay mipetraka any an-danitra mitsiky;
maneso an'ireny ny Tompo.
5Ka hiteny amin'ireny izy noho ny fahavinirany,
sy hampangorohoro azy amin'ny fisafoahany:
6Ary izaho efa nanangana ny mpanjakako,
ao ambonin'i Siona tendrombohitro masina.
7Hamoaka ny didy aho:
Iaveh nilaza tamiko hoe: Zanako hianao,
niteraka anao aho ankehitriny.
8Mangataha dia homeko ho lovanao ny firenena,
ho fanjakanao, ny vazan-tany efatra.
9Hanorotoro azy amin'ny tehim-by hianao;
hanamontsamontsana azy toy ny vilanin'ny mpanefy. >