Ny Salamo

Toko faha-20

1 Ho an'ny mpampianatra hira. - Salamon'i Davida.

2 Hihaino anao amin'ny andron'ny fahoriana anie Iaveh; hiaro anao anie ny anaran'ny Andriamanitr'i Jakoba.

3 Hahatonga famonjena ho anao avy amin'ny fitoerany masina anie izy; hanohana anao avy any Siona anie izy!

4 Hahatsiaro ny fanatitrao rehetra anie izy, ary hankasitraka ny soronao dorana! - Selà.

5 Homeny anao anie izay irin'ny fonao; ary hotanterahiny avokoa ny hevitra kasainao rehetra!

6 Hiarahaba ny fandresenao anie izahay, amin'ny hobin-kafaliana; hanangam-paneva amin'ny anaran'Andriamanitsika; hotanterahin'ny Tompo anie izay irinao rehetra!

7 Fantatro sahady fa namonjy ny voahosony Iaveh; hihaino azy izy any an-danitra, fonenany masina, amin'ny famonjena mahery hataon'ny tànany ankavanana.

8 Ny sasany mitoky amin'ny kalesiny; ny sasany amin'ny soavaliny; fa isika kosa miantso ny anaran'ny Tompo Andriamanitsika.

9 Koa izy ireo moa mihemotra sady lavo; izahay kosa miarina ka mahatoha mafy.

10 Ry Iaveh ô, vonjeo ny mpanjaka! - Hihaino antsika anie izy amin'izay andro iantsoantsika azy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0584