Ny Salamo
Toko faha-21
2 Ry Iaveh, mifaly amin'ny herinao ny mpanjaka; endrey ny haben'ny firavoravoany amin'ny famonjenao!3 Nomenao azy izay nirin'ny fony, tsy nolavinao izay nangatahin'ny molony. - SelĂ .
4 Fa notsenainao fanambinana fatratra izy; satro-boninahitra volamena madio no nataonao tamin'ny lohany.
5 Nangataka aina taminao izy, ka nomenao azy izany; dia andro lava sy mandrakizay alaovalo.
6 Noho ny famonjenao dia lehibe ny voninahiny; nomenao laza amam-pamirapiratana izy.
7 Nataonao fandrotsaham-pitahiana mandrakizay izy; fenoinao hafaliana eo anatrehan'ny tavanao izy.