Ny Salamo
Salamo toko 22, 8-9.17-18a.19-20.23-24.
<8Izay rehetra mahita ahy, manaraby ahy avokoa;
misoka-molotra izy ary mihifikifi-doha:
9Aoka izy hanankina ny tenany amin'ny Tompo.
Aoka hovonjeny izy.
Aoka hafahany izy fa tiany.
17Fa amboa no mitangorona amiko;
andian'olon-dratsy no mihenjy manodidina ahy;
nandoaka ny tongotro aman-tànako izy;
18mahisa ny taolako rehetra aho.
Ireo kosa mandinika ahy sy mibanjina ahy;
19zarain'izy ireo ny fitafiako,
ary ilokany ny akanjoko.
20Fa hianao kosa, Iaveh ô, aza manalavitra ahy!
Hianao heriko, faingàna hamonjy ahy!
23Dia hitory ny anaranao amin'ny rahalahiko aho;
hidera anao eo amin'ny fiangonana aho:
24Miderà an'ny Tompo hianareo izay matahotra azy!
manomeza voninahitra azy hianareo rehetra taranak'i Jakoba, manajà azy hianareo rehetra taranak'Israely! >