Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Salamo

Salamo toko 22, 26b-27,28,30,31-32,

       <26Noho hianao dia hanako eo amin'ny fiangonan-dehibe ny hirako;
hefaiko eo anatrehan'izay matahotra anao ny voadiko.
       27Hihinana ny tra-pahoriana ka ho voky;
hidera an'ny Tompo izay mitady azy.
Ho velona indray mandrakizay anie ny fonareo!
       28Ny faravazan-tany rehetra hahatsiaro sy hitodika an'ny Tompo,
ary ny fokom-pirenena rehetra
hiankohoka eo anatrehan'ny tavanao.
       30Ny manam-pahefana eto ambonin'ny tany hihinana sy hiankohoka,
izay rehetra midina ho any amin'ny vovoka, hiondrika eo anoloany;
dia ireo tsy mahay manalava ny andro iainany.
       31Hanompo azy ny taranaka;
holazaina amin'ny taranaka ho avy ny Tompo.
       32Ho avy izy ireo ka hitory ny fahamarinany;
hambaran'izy ireo amin'ny vahoaka mbola ho teraka ny nataony. >