Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Salamo

Salamo toko 23
Ny mpiandry ondry tsara.

       1Salamon'i Davida.
Iaveh no mpiandry ahy, tsy hanan-java-mahory aho.
       2Mampijanona ahy eo amin'ny vilona maitso izy,
mitondra ahy ho eo amoron-drano mampangatsiatsiaka;
       3mamelombelona ny fanahiko.
Mitarika ahy amin'ny lala-mahitsy;
noho ny anarany.
       4Na mandeha mamaky ny lohasaha aloky ny fahafatesana aza aho,
tsy misy loza atahorako fa hianao no eo amiko;
ny tsora-kazo aman-tehinao no mahafa-tahotra ahy.
       5Mamelatra latabatra eo anoloako, eo imason'ny fahavaloko hianao,
manosotra diloilo ny lohako hianao,
feno mitafotafo ny kapoakako.
       6Eny fahasambarana amam-pahasoavana no homba ahy,
amin'ny andro rehetra hiainako;
dia hitoetra ao an-tranon'ny Tompo aho,
mandritra ny andro lava. >