Ny Salamo
Salamo toko 24, 1-2,3-4ab,5-6,
Ahoana no fanatonana an'Iaveh?
1Salamon'i Davida.
An'ny Tompo ny tany, mbamin'izay rehetra ao aminy,
izao tontolo izao mbamin'ny mponina rehetra ao aminy.
2Fa izy no nanorina azy, tambonin'ny ranomasina;
sy nampitoetra azy tambonin'ny ony.
3Iza no hiakatra any amin'ny tendrombohitry ny Tompo?
iza no hitoetra eo amin'ny fitoerany masina?
4Izay tsy manan-tsiny ny tànany, ary madio ny fony,
izay tsy manarana ny fanahiny amin'ny lainga,
ary tsy mianiana mba hamitaka.
5Hahazo ny fanambinan'ny Tompo izy,
ny fahamarinana avy amin'ny Tompon'ny famonjeny.
6Toy izany ny taranak'izay mitady azy,
dia ireo mitady ny tavan'Andriamanitr'i Jakoba. - Selà. >