Ny Salamo

Toko faha-26

1 Nataon'i Davida. Tsarao aho, ry Iaveh, fa nandeha tamin'ny tsy fananan-tsiny aho, Iaveh no itokiako ka tsy hangozohozo aho.

2 Tsapao toetra aho, ry Iaveh, diniho aho, tsapao amin'ny memy ny kiboko sy ny foko;

3 Fa ny famindram-ponao no eo anoloan'ny masoko, ary mandeha amin'ny fahamarinana aho.

4 Tsy mba miara-mipetraka amin'ny olona fandainga aho; tsy miara-mandeha amin'ny olona manao an-kifonofono;

5 halako ny fivorian'izay manao ratsy, tsy mipetraka hitsara miaraka amin'ny ratsy fanahy aho.

6 Manasa ny tànako amin'ny tsy fananan-tsiny aho, ary manodidina ny otelinao aho, ry Iaveh,

7 mba handefa feo fiderana, ary hitantara ny asanao mahagaga rehetra.

8 Tiako ny mitoetra ao an-tranonao, ry Iaveh ô, dia ny fitoerana ipetrahan'ny voninahitrao.

9 Aoka ny fanahiko tsy halainao miaraka amin'ny an'ny mpanota ary ny aiko miaraka amin'ny an'ny olona mpandatsa-dra,

10 fa ny tànan'ireny misy heloka ary ny tànany ankavanana feno kolikoly.

11 Fa izaho kosa nandeha amin'ny tsy fananako tsiny; afaho sy amindrao fo aho.

12 Tafapetraka amin'ny tany marina ny tongotro; hisaotra an'ny Tompo ao am-piangonana aho.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.074