Ny Salamo
Toko faha-27
1 Nataon'i Davida. Iaveh no fahazavako amam-pamonjena ahy; ka iza no hatahorako? Iaveh no mandan'ny aiko, ka zovy no hangovitako?3 Na dia tafika iray aza no tamy hitoby hiady amiko, tsy hatahotra ny foko; na dia rafitra aza ny ady mamely ahy, dia hatoky ihany aho.
5 Fa hoalofany ao amin'ny fonenany aho amin'ny andron'ny fahoriana; hanafina ahy amin'ny fiafenana ao an-dainy izy, hampitoetra ahy eo ambony vatolampy izy.
8 Hoy ny feoko hoe, milaza ny teny avy aminao: Tadiavonareo ny tavako; mitady ny tavanao aho, ry Iaveh.
9 Aza afeninao amiko ny tavanao; aza roahina an-katezerana ny mpanomponao; hianao no famonjena ahy, ka aza mahafoy ahy ; aza ilaozanao aho, ry Andriamanitry ny famonjena ahy.