Ny Salamo
Salamo toko 27, 1.4.13-14.
Fahatokiana an'Andriamanitra - Fangatahana.
1Nataon'i Davida.
Iaveh no fahazavako amam-pamonjena ahy;
ka iza no hatahorako?
Iaveh no mandan'ny aiko,
ka zovy no hangovitako?
4Zavatra iray loha no angatahiko amin'ny Tompo sady iriko fatratra:
Dia te-honina eo an-tranon'ny Tompo aho,
amin'ny andro rehetra iainako,
mba hifaly amin'ny toetra mahate-ho tian'ny Tompo,
sy hibanjina ny fitoerany masina.
13Endrey, raha izay re aho no tsy matoky hahita ny hatsaram-pon'ny Tompo,
any amin'ny tanin'ny velona!...
14ManantenĂ an'ny Tompo!
Matokia ka herezo ny fonao!
Manantena an'ny Tompo! >