Ny Salamo
Salamo toko 29, 1a.2.3ac-4.3b.9b-10.
Ny halehiben'Iaveh miseho amin'ny ranonoram-baratra.
1Salamon'i Davida.
Manomeza an'ny Tompo, ry zanak'Andriamanitra,
manomeza voninahitra sy fahefana ho an'ny Tompo!
2Omeo an'ny Tompo, ny voninahitry ny anarany.
Mitsaoha an'ny Tompo amin'ny fanamiana masina.
3Mikotrokotroka any ambony rano be ny feon'ny Tompo,
mampikotrokorana ny Andriamanitry ny voninahitra;
eny ambony rano be Iaveh.
4Mafy ny feon'ny Tompo;
be voninahitra ny feon'ny Tompo.
9Mampiteraka ny serfavavy ny feon'ny Tompo,
sady mampihintsan-dravina ny ala be;
ary ao an-tempoliny ny zava-drehetra samy milaza hoe: Voninahitra!
10Amin'ny safo-drano dia mipetraka ao ambonin'ny fiketrahany Iaveh,
mipetraka ao amin'ny fiketrahany ho mpanjaka mandrakizay Iaveh. >