Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Salamo

Salamo toko 30, 2,4,5-6,11-12a,13b,

       <2Mankalaza anao aho, ry Iaveh, fa efa nanandratra ahy hianao,
tsy nataonao ho fifalian'ny fahavaloko aho.
       4Ry Iaveh ô, nampiakatra ny fanahiko avy any amin'ny Seoly hianao;
nampody ny aiko hianao, nataonao lavitra izay midina any an-davaka aho.
       5Mihirà ho an'ny Tompo hianareo mpiraikitra aminy,
mankalazà ny fahatsiarovana masina azy.
       6Fa indray mipi-maso no aharetan'ny fahatezerany,
ary mandritra ny andro iainana ny fahasoavany;
ny hariva no tonga ny fitomaniana,
ary ny maraina kosa misy ny fifaliana.
       11Mihainoa, ry Iaveh ô, ka iantrao aho;
Iaveh ô, avia hamonjy ahy! -
       12Dia nampody ny fidradradradrako ho fifaliana hianao,
namaha ny lasakako hianao ka nampisikina fifaliana ahy,
       13mba hankalaza anao ny fanahiko ka tsy hangina,
Iaveh Andriamanitro ô, hidera anao mandrakizay aho. >